Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 6:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo, tahaka ny ando izay levona raha vao maraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo Sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo, tahaka ny ando izay levona raha vao maraina.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 6:4
19 Rohy Ifampitohizana  

Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.


Ianareo kosa vahoaka mafy fo sy mpiodina, misintaka lavitra ianareo dia lasa,


Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Toy ny zana-tsipîka mahafaty ny lelany, ka lainga avokoa izay lazainy: Tsara vava amin’ny namany izy, fa ao anatiny manao otri-po.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita. Noho izany dia nampirisihin’ny TOMPO hamely azy i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra