Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Koa ny hafatr’ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy; ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Koa ny hafatr’ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, Ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy; ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 6:5
35 Rohy Ifampitohizana  

Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.


Koa rehefa ren’i Ahià ny fingodongodon’ny tongo-dravehivavy nandingana ny tokonam-baravarana, dia hoy izy hoe: –Mandrosoa, ry vadin’i Jerôbohama, fa nahoana ianao no mody olon-kafa? Nirahina hanambara vaovao ratsy aminao aho.


Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Rehefa hitan’i Ahaba i Elià, dia nilazany hoe: –Hay! Tonga ianao, ry ilay mpitondra loza amin’i Israely!


Izay afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela, dia ho fatin’i Jehò; ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Jehò kosa dia ho fatin’i Elisà.


ka nilaza tamin’i Ahazià ny tenin’ny TOMPO hoe: –Satria naniraka olona hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianao, hoatra ny hoe tsy misy Andriamanitra mba azo anontaniana eto amin’i Israely, dia tsy ho tafala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao fa ho faty tokoa.


Ary nisy taratasy avy tamin’i Elià mpaminany tonga tao amin’i Jôrama nanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razanao: Tsy nanaraka ny toetran’i Jôsafata rainao na ny an’i Asà mpanjakan’i Joda ianao,


Tsy ho afaka amin’ny haizim-pahafatesana izy; fa ho tahaka ny solofon-kazo main’ny afo no handevonan’ny fofonain’Andriamanitra azy.


Koa mihainoa ahy, ianareo olo-mahalala: Sanatria an’Andriamanitra ny hanao ratsy ary lavitra an’ilay Tsitoha ny tsy fahamarinana.


Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.


Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitataovovonana.


fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.


Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.


Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.


dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.


ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Noho izany tenin’ireo vahoaka ireo izany, dia hataoko ho toy ny afo ny teniko izay ampitondraiko anao, ry Jeremià; ity firenena ity kosa dia ho toy ny kitay ka holevonin’izany afo izany.


Koa ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy.».


Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon’io vahoaka maditra io.


«Ry ilay taranak’olombelona, mitolokia ny amin’ny vahoaka maroben’i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin’ireo mponin’ny firenen-kafa ho any ambanin’ny tany, izay toerana fidinan’ny maty.


Io fahitana io dia mitovy amin’ireo fahitana hitako fony Andriamanitra tonga handrava an’i Jerosalema sy fony aho teo amoron’ny ony Kebara; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.


Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!


Gaga i Mosesy raha nisehoan’izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon’ny Tompo nanao hoe:


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin’Andriamanitra ho toy ny sabatra omen’ny Fanahy Masina.


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany ary ny tarehiny dia manelatrelatra tahaka ny masoandro faran’ny mamirapiratra.


Koa ialao ny toe-dratsinao; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely an’ireo amin’ilay sabatra mivoaka avy eo am-bavako.


Dia novahana ireo anjely efatra ireo; fa voaomana ho amin’izany ora sy andro ary volana sy taona izany rahateo izy ireo, mba hahafaty ny ampahatelon’ny olombelona.


ary tsy niova toetra koa izy ireo hiala amin’ny vonoana olona na ny ody ratsy na ny fijangajangana na ny halatra fanaony.


Ary hoy i Samoela tamin’i Saoly: –Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain’ny TOMPO mandrakizay tamin’i Israely ianao sy ny taranakao.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Dia tonga teo aminy tamim-pahatokiana i Agaga, satria hoy izy anankampo hoe: «Marina fa tsy misy tokony hatahorako fahafatesana intsony.»


Nefa hoy i Samoela taminy: –Ny sabatrao no tsy nananan’ny vehivavy maro ny zanany. Dia notetehin’i Samoela tamin’ny sabatra teo anatrehan’ny TOMPO tao Gilgala i Agaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra