Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Avy any no hamerenako aminy ny tanimboalobony; ary ho tonga varavaram-panantenana ny lohasahan’i Hakôra. Any no hamaliany Ahy an-kira toy ny tamin’ny androm-pahatanorany, dia tamin’ny andro niakarany niala avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Avy any dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora mba ho varavaran’ny fanantenana. Any no hamaliany Ahy toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany, toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Avy any no hamerenako aminy ny tanimboalobony; ary ho tonga varavaram-panantenana ny lohasahan’i Hakôra. Any no hamaliany Ahy an-kira toy ny tamin’ny androm-pahatanorany, dia tamin’ny andro niakarany niala avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 ary avy ao homeko azy ny tanimboalobony, mbamin’ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanimboalobony Sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ny andro fahatanorany, Dia toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Avy any dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora mba ho varavaran’ny fanantenana. Any no hamaliany Ahy toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany, toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay mpirohotra amin’andriamani-kafa dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy; tsy mba hiaraka aminy velively aho hanolotra ny fanati-dra izay ararany, ary tsy hanonona anarana azy akory.


Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!


«Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran’andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo.


Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.


«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


Aza mifangaro amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo; aza miantso ny anaran’andriamaniny na mampiasa izany hianianana; aza mivavaka aminy na miankohoka eo anatrehany;


Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin’i Hakàna, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakôra mandraka ankehitriny. Taorian’izany vao nitony ny hatezeran’ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra