Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:9 - DIEM PROTESTANTA

9 sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin’izay asa rehetra nisasarako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa hoy i Efraima: Fiharian-karena ihany no nataoko ka nahazo fananana aho; tsy misy nahatonga fahotana na heloka ho ahy ny asako rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin’izay asa rehetra nisasarako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa, ka nahazo fananana be aho; ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, Nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa hoy i Efraima: Fiharian-karena ihany no nataoko ka nahazo fananana aho; tsy misy nahatonga fahotana na heloka ho ahy ny asako rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.


dia hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Jereo ange aho fa mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera, kanefa ny Vatamasin’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay.


Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro.


izay mitoky amin’ny hareny miavosa sy mirehareha amin’ny fananam-beny?


Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo, aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Misy karazan’olona izay mihevi-tena ho madio, nefa tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.


Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty trano lay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin’ny tany izay ivahinianareo any.»


Tahaka ny tranom-borona feno vorona dia feno zavatra nangalarina ny tranony. Izany no nahatonga azy ho lehibe sy manan-karena,


«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.


Mizàna marina sy vatomizana marina ary famarana marina no tano. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo hiala tany Ejipta.


Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.


Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.


Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: «Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay!» Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy.


Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo niala tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Eny, Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon’ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra