Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 8:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny zavamanan-aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ny tany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 8:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsodrano azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin’ny tany!»


Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


«Mivoaha tao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao ary ireo zanakalahinao mbamin’ireo vinantovavinao.


Dia nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.


Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.


Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin’ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.»


Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra