Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 49:25 - DIEM PROTESTANTA

25 amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Avy any amin’ny Andriamanitry ny rainao - hitahy anao anie Izy! Sy avy any amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra - hanisy soa anao anie Izy! no hahazoanao ny tso-drano avy amin’ny lanitra ambony, ny tso-drano avy amin’ny hantsana lalina ambany ny tso-drano avy amin’ny nono aman-kibon-dreny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Avy amin’ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao– Avy amin’ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony, Sy fitahiana avy amin’ny lalina, Izay mamitsaka any ambany, Ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 49:25
22 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Homen’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary ny vary aman-divay betsaka!


Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.


ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro.


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.»


sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an’Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin’izay rehetra nalehako.


Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Mitrebona avy amin’ny tany ny fahamarinana ary midina avy any an-danitra ny rariny.


ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na «Andriamanitro mamonjy ahy», fa hoy izy hoe: «Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin’ny famelezan’ny Farao.»


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin’ny Israelita:


Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»;


Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin’i Kristy Jesoa.


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra