Genesisy 49:26 - DIEM PROTESTANTA26 Ny tsodrano omen’ny rainao dia mihoatra noho ny zava-tsoan’ireo tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoan’ireo havoana tranainy. Hirotsaka eo an-dohan’i Jôsefa anie izany tsodrano izany, dia eo an-dohan’ilay voafidy teo anivon’ny rahalahiny! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201126 Ny tsodranon’ny rainao dia mahery noho ny tsodranon’ireo havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’i Josefa izany, ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara26 Ny tsodrano omen’ny rainao dia mihoatra noho ny zava-tsoan’ireo tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoan’ireo havoana tranainy. Hirotsaka eo an-dohan’i Jôsefa anie izany tsodrano izany, dia eo an-dohan’ilay voafidy teo anivon’ny rahalahiny! Jereo ny tokoBaiboly Katolika26 ny tso-dranon-drainao mihoatra Ny tso-dranon’ny tendrombohitra fahagola, sy ny hatsaran-tarehin’ny havoana mandrakizay. Ho eo an-dohan’i Josefa anie izany, dia ho eo an-kandrin’ilay andrian’ny rahalahiny! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy26 Ny tso-dranon’ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay Sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola; Ho eo an-dohan’i Josefa izany, Dia ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny. Jereo ny tokoMalagasy Bible26 Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny. Jereo ny toko |
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: «Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: ‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!› Kanjo ireny kosa no ho menatra.»