Genesisy 49:19 - DIEM PROTESTANTA19 I Gada dia notafihin’andia-mpandroba, koa manao valim-panafihana sy manenjika azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201119 I Gada dia misy andian-jiolahy manafika azy fa izy kosa dia hamely am-pitaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara19 I Gada dia notafihin’andia-mpandroba, koa manao valim-panafihana sy manenjika azy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika19 I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy19 gada, ny manao andiany hamoritra azy; Fa izy kosa hamely ny otrika. Jereo ny tokoMalagasy Bible19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika. Jereo ny toko |
Nisy koa olona avy amin’ny fokon’i Gada, niendaka hanatona an’i Davida tao amin’ny toby fiarovana tany an-taniefitra. Izy ireo dia lehilahy maherifo, miaramila mahay miady sady zatra mampiasa ampinga sy lefona: masiaka toy ny liona no fahitana azy, ary faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.