Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 45:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Dia tsy nahatsindry fo intsony i Josefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: «Avoahy avokoa ny olona rehetra!» Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ny rahalahiny azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.


Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.


Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.


Rehefa izany, dia noraisiny ny lapoaly ka narosony azy ny tao anatiny, nefa tsy nety nihinana izy. Ary hoy i Amnôna: –Avoahy avokoa ny olona rehetra. Dia nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra.


Efa hatry ny ela Aho no nangina, ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO. Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


–Raha diso taminao ny havana iray finoana, dia hatony; ary ianao sy izy mitokana iny no asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny havanao.


tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty;


Raha nankany fanindroany ny razantsika, dia nanambara tena tamin’ireo rahalahiny i Jôsefa, ary fantatry ny Farao tamin’izay ny fianakaviana niavian’i Jôsefa.


tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora sosotra, tsy manao an-dolompo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra