Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 44:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Fa ny vola izay hitanay tao am-bavan’ny kitapom-bary aza nentinay niverina avy any Kanahàna ho atỳ aminao. Koa ahoana no hangalaranay izay volafotsy na volamena avy ao an-tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay tatỳ aminao indray, avy tany amin’ny tany Kanana; koa hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena avy ao amin’ny tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa ny vola izay hitanay tao am-bavan’ny kitapom-bary aza nentinay niverina avy any Kanahàna ho atỳ aminao. Koa ahoana no hangalaranay izay volafotsy na volamena avy ao an-tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasàkanay dia nentinay taminao avy amin’ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra vola-fotsy na volamena ao amin’ny tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay tatỳ aminao indray, avy tany amin’ny tany Kanana; koa hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena avy ao amin’ny tranon’ny tomponao?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 44:8
12 Rohy Ifampitohizana  

nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.


Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.


Ary nony nararak’izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin’ny rainy, dia samy raiki-tahotra.


Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.


dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»


Ary namaly izy mirahalahy avy ka nanao hoe: –Ahoana no ahazoanao miampanga anay toy izany, tompoko? Tsy ho sahy nanao izany zavatra izany na oviana na oviana izahay mpanomponao!


Fa hoy ilay zatovo taminy: –Didy sahala amin’inona moa izany? Ka izao no navalin’i Jesoa: –Ny didy sahala amin’ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina;


Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra