Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izaho no hiantoka azy; eo an-tanako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin’ny andro rehetra hiainako aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Izaho no hiantoka azy; amin’ny tànako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran’ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin’olona na tamin’ny andro na tamin’ny alina.


Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao!


Ary ankehitriny raha tsy nitaredretra izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.


Ary ny ranareo koa, izay ainareo, dia hadiniko amin’ny biby izay namono olona ho faty tahaka ny hanadinako ny olona namono ho faty ny olona toa azy. Eny, hadiniko ny momba ny ain’ny olona:


Hoy kosa ilay vehivavy avy any Tekôa taminy: –Ry andriamanjaka ô, aoka ho ahy sy ho an’ny fianakavian-draiko ny fahadisoana fa tsy manan-tsiny akory ianao sy ny sezafiandriananao.


Raha tsy izany, rehefa modimandry ka tsy eo intsony ianao, ry andriamanjaka, dia hatao toy ny olo-meloka ny tenako sy i Salômôna zanako.


Andriamanitra ô, meteza ho hany mpiantoka ahy, fa iza moa ankoatra Anao no hety hanao izany?


Porofoy fa mahasoa ahy mpanomponao izany; aoka aho tsy hampahorîn’ny mpirehareha!


Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin’ny toe-dratsiny mba hahavelomany, dia ho faty noho ny otany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.


Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray miala amin’ny tsara ka manao ny ratsy: hataoko hampidi-doza aminy izany ka ho faty izy. Raha tsy mampitandrina azy ny amin’io loza io ianao, dia ho faty noho ny otany izy; fa tsy hisaiko ny asa soa nataony taloha ary ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.


Raha tàhiny kosa hitan’ilay mpitily fa tamy ny tafika fahavalo, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, dia tsy nahazo fanairana ireo mpiray firenena aminy. Koa raha tonga ny fahavalo ary nahafaty olona iray, dia an’ny mpitily ny fahadisoana; izy no hotanako ho tompon’andraikitra amin’izany fahafatesana izany.


Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin’ny toe-dratsiny, dia ho fatin’ny heloka vitany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.


Koa hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny ireo mpaminany rehetra izay nalatsa-dra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao,


Izany no mahatonga an’i Jesoa ho antoky ny Fanekempihavanana tsara lavitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra