Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary i Joda kosa nanampy hoe: –Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary i Joda kosa nanampy hoe: –Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ary i Jodà nilaza tamin’i Israely rainy hoe: «Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiaingànay sy handehananay, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy ianao, na ny zanatsika madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy Joda tamin’Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:8
14 Rohy Ifampitohizana  

Indro, reko fa misy vary any Ejipta. Koa andeha midina any mividy vary ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.


Hoy kosa i Jakôba hoe: –Tsia, tsy handeha hidina miaraka aminareo ny zanako. Efa maty ny rahalahiny, ary izy irery no sisa. Raha hisy fahavoazana manjo azy eny an-dalana, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.


Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»


dia nitenenanay hoe: «Tsy afaka mankany izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy; fa raha tsy midina miaraka aminay izy, dia tsy afaka handray anay ilay tompon’ny tany.»


Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.


Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.


ny ankohonan’i Jôsefa manontolo mbamin’ireo rahalahiny ary ireo olon-kafa rehetra tao amin’ny fianakavian-drainy. Tsy nisy najanona tao amin’ny faritr’i Gôsena, afa-tsy ny ankizy sy ny biby fiompy ihany.


Fa namaly ny minisitra iray ka nanao hoe: –Aoka hakana dimy amin’ireo soavaly sisa tavela ato an-tanàna; fa efa tandindomim-paharinganana tahaka ny Israelita rehetra monina ato ireo; koa aoka hisy olona halefantsika hitaingina ireo ka hijery izay miseho any.


Raha tapa-kevitra hankao an-tanàna isika, dia ho faty satria misy mosary ao; kanefa raha hijanona eto isika, dia ho faty ihany koa! Koa andeha isika hankany amin’ny tobin’ny Sirianina hitolo-batana aminy. Raha avelany ho velona aina isika, dia ho velona; fa raha vonoiny ho faty isika, dia tsy maintsy ho faty!


Teo amoron’io lakan-dranon’i Ahavà io, dia nanainga anay rehetra hanao fifadian-kanina aho mba hietrenay tena eo anatrehan’Andriamanitray sy hangatahanay Azy hahatsara dia anay sy ny vady aman-janakay ombàn’ny fanananay rehetra.


Tsy ho faty aho fa ho velona mba hitanisa ny asan’ny TOMPO.


«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.


Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.


Ny amin’ny taranak’i Reobena, dia hoy i Mosesy hoe: «Aoka ho velona ny fokon’i Reobena fa tsy ho faty, ary aoka ho tsy tambo isaina ny olony!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra