Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va hianareo? dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao.


Namaly kosa ireo hoe: –Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak’olona iray ihany any amin’ny tany Kanahàna; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin’ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.


Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo i Jôsefa, sady nanampy hoe: –Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy?


Fa namaly azy i Joda nanao hoe: –Ilay tompon’ny tany dia nanafatrafatra mafy anay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»


Ary hoy i Jakôba hoe: –Nahoana no dia nampidi-doza ahy ianareo ka nilaza tamin’izany lehilahy izany fa mbola manana rahalahy ianareo?


Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra