Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:18 - DIEM PROTESTANTA

18 dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary raiki-tahotra ireo lehilahy ireo satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa ka hoy izy ireo: Noho ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny izao no nampidirana antsika, hitadiavany hevitra ny hamelezany antsika ka hataony mpanompo isika ary halainy koa ny borikintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon’i Josefa, fa hoy izy: «Ilay vola naverina tao anaty lasàkantsika, tamin’ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin’ny ampondrantsika koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:18
20 Rohy Ifampitohizana  

nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.


Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.


Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?»


Ary nony nararak’izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin’ny rainy, dia samy raiki-tahotra.


Notanterahin-dralehilahy ny baikon’i Jôsefa; ary nentiny tany an-tranon’i Jôsefa ireo,


Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:


Fa ny vola izay hitanay tao am-bavan’ny kitapom-bary aza nentinay niverina avy any Kanahàna ho atỳ aminao. Koa ahoana no hangalaranay izay volafotsy na volamena avy ao an-tranon’ny tomponao?


Feo mampitahotra no tsy afaka an-tsofiny; amin’izy mihevi-tena ho milamina iny no avy hamely azy ilay mpandrava.


Toy ny fiditra amin’ny fefy banga no fibosesiny anaty korontana hamely ahy.


Hoy kosa Andriamanitra hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!»


Nieritreritra aho ka niezaka hahatakatra; kinanjo sarotra tamiko ny hahita mazava,


Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.


Ary nihoaran’io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan’andriamanjaka tamin’ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain’ny mpanjaka hatao lehibe eo amin’ny fanjakana manontolo izy.


Dia hoy i Herôda rehefa nandre izany: –I Jôhany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!


Saingy nohararaotin’ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalàna.


ka haratsiany sy alàny baràka hoe: «Efa nampakatra ity vehivavy ity aho; kanefa tsy nahita ny famantarana maha virijiny azy aho nony niray taminy.»


ka noharatsîny tamiko hoe tsy nahitany ny famantarana maha virijiny azy. Nefa indreto ny famantarana maha virijiny ny zanako vavy.» Dia hovelarin’ny ray aman-drenin-drazazavavy eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna ilay lamba nandriany tamin’ny alin’ny fampakarana azy.


Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.


Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra