Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Hoy i Lamèka tamin’ny vadiny: –Ry i Hadà sy i Tsilà ô, henoy aho! Ry vadin’i Lamèka, atongilano ny sofinareo amin’ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Hoy i Lamèka tamin’ny vadiny: –Ry i Hadà sy i Tsilà ô, henoy aho! Ry vadin’i Lamèka, atongilano ny sofinareo amin’ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ary hoy i Lameka tamin’ireo vadiny: «Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin’i Lameka: Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary hoy Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:23
7 Rohy Ifampitohizana  

I Tsilà kosa dia niteraka an’i Tobala-Kaina izay mpanefy ny zava-maranitra rehetra vita amin’ny varahina na vy. Ny anabavin’i Tobala-Kaina dia i Nahamà.


TOMPO Andriamanitra mpamaly ny natao ô, ry Andriamanitra mpamaly ny natao ô, mba misehoa!


Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin’ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.


Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»


Notantaraina tamin’i Jôtama izany. Koa lasa izy nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Gerizima, dia nanandra-peo ka niantso mafy hoe: –Mihainoa ahy ianareo mponin’i Sekema, dia mba hihaino anareo koa Andriamanitra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra