Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Niraisan’i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an’i Henôka. Dia nanorina tanàna i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran’i Henôka zanany lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Niraisan’i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an’i Henôka. Dia nanorina tanàna i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran’i Henôka zanany lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 I Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Enôka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray i Kaina ka nantsoiny hoe Enôka, araka ny anaran-janany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 ARY Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka an’i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanani-lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»


Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.


I Henôka no ray niteraka an’i Hirada; i Hirada no ray niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an’i Lamèka.


Rehefa feno 162 taona i Jereda, dia niteraka an’i Henôka.


Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Henôka, ka taorian’ny nahaterahan’i Metosèla dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Fahavelony i Absalôma dia efa nampanao tsangambato ho azy tao an-dohasahan’ny mpanjaka, fa hoy izy anakampo: «Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho.» Koa ny anaran’ny tenany ihany no niantsoany an’ilay tsangambato. Izany no mbola anaovana azy mandraka ankehitriny hoe «Tsangambaton’i Absalôma».


Samy iaraha-mahita tokoa fa ny olon-kendry dia maty, ny adala sy ny ketrina koa levona, ka mamela ny hareny ho an’ny hafa.


Ny fasana no tranony mandrakizay sy fonenany amin’ny taona mifandimby, na ohatra aza ka ny anarany no niantsoana ireo taniny fahiny.


Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra