Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Kaina ka nonina tany amin’ny tany Noda, any atsinanan’i Edena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Raha efa izany dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Kaina, ka nonina tany amin’ny tany Nôda, atsinanan’i Edena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan’i Jehovah ka nonina tao amin’ny tany Noda tandrifin’i Edena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Kaina ka nonina tany amin’ny tany Noda, any atsinanan’i Edena.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:16
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.


Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!


Niraisan’i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an’i Henôka. Dia nanorina tanàna i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran’i Henôka zanany lahy.


Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.


Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany.


Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Indro eo am-pelatananao izay ananany rehetra. Nefa aza kasihinao kosa ny tenany. Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna.


Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.


Tsy ho hitany intsony ny tantely sy ronono, izay mitosaka toa renirano na ony aman-driaka.


Andriamanitra ô, melohy izy; ny fikasany anie hampianjera azy! Roahy izy fa be ota loatra, satria efa nikomy taminao.


Hirotsaka hamely anie Andriamanitra ka ny fahavalony dia hiparitaka, ny mpankahala handositra lavitra Azy!


Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.


dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.


Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.


Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.


Satria na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho.


Amin’izay ianareo, dia hanao hoe: «Olona niara-nihinana sy nisotro taminao izahay, ary nampianatra teny an-dalamben’ny tanànanay ianao!»


Teo amin’izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an’izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.


Izy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna.


Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampinareo ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra