Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: –Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny. Dia nametrahan’ny TOMPO famantarana teo amin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: –Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny. Dia nametrahan’ny TOMPO famantarana teo amin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Hoy i Iaveh taminy: «Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.» Ary nasian’i Iaveh famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’i Kaina, dia hovaliana fito heny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’i Kaina, mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:15
15 Rohy Ifampitohizana  

Raha valiana fito heny izay mahafaty an’i Kaina, dia hovaliana 77 heny kosa izay mamono mahafaty an’i Lamèka.


Ny nitenenan’ny TOMPO an’i Bahasà sy ny fianakaviany, tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Bahasà sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany sady tonga tahaka an’i Jerôbohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan’i Bahasà ny taranak’i Jerôbohama.


Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy dia ho avy tokoa hialoha ahy ka hataony hitako ny fahavaloko resy.


Tompo ô, mba valio impito heny amin’ireo firenena mifanila aminay ny fanalàm-baràka nataony Anao.


Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny ka hanome izay ananany rehetra ao an-tranony.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak’i Jehò noho ny ra latsaka tao Jizrehèla; ary hofaranako ny fanjakan’ny taranak’i Israely.


«Raha amin’izany no tsy henoinareo ihany Aho, dia mbola hofaiziko impito henin’izany ianareo noho ny fahotanareo.


«Raha mbola toherinareo ihany Aho ka tsy henoinareo, dia hokapohiko impito henin’izany koa ianareo araka ny fahotanareo.


dia Izaho mihitsy kosa no hamely anareo ka hokapohiko impito henin’izany ianareo noho ny fahotanareo.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


Ary dia hoy i Jesoa tamin’io mpianany io: –Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.


Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setrok’ilay afo mampijaly azy ary tsy mba manam-pitoniana na andro na alina izay olona mivavaka amin’ilay biby sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.»


Nanaraka an’ireo anjely anankiroa ireo dia nisy anjely fahatelo nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Raha misy mivavaka amin’ilay biby sy ny sariny, ka mandray ny marik’ilay biby eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra