Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Indro, efa noroahinao hiala amin’ny tany onenana aho andro-any; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:14
27 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.


Dia niteny tamin’ny TOMPO i Kaina hoe: –Mavesatra loatra ny heloko!


Nitsangana hanohitra ahy ny fianakaviana manontolo ka nanao tamiko hoe: «Atolory anay ilay mpamono ny rahalahiny, fa hataonay maty koa izy satria nahafaty ny rahalahiny, ka dia hovonoinay ho faty koa ny mpandova.» Araka izany dia tian’izy ireo hofongorana ilay tapa-porohana sisa ato amiko mba tsy hahafahany hamelo-maso ny anaran-drainy eto an-tany.


Ho mpirenireny mangataka anie ny zanany ary ho voaroaka lavitra ny fonenany rava!


Aoka tsy hisy hamindrafo aminy na koa hiantra ny zanany kamboty!


Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.


Ny ratsy ataon’ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.


Mandositra ny olon-dratsy na dia tsy misy manenjika azy, fa ny olo-marina kosa matoky tena toy ny liona tanora.


ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.


Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.


Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, raha vao mahita azy izy.


na filana ady no namelezana totohondry olona ka nahafaty azy, dia hatao maty ilay mpamely satria mpandatsaka aina; ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, vantany vao tafahaona aminy.


ka hitan’ny mpamaly faty, dia azon’io vonoina ho faty; ary tsy meloka ny mpamaly faty amin’izany,


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


Any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen’ny TOMPO anareo.


Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra