Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Dia nosamborin’ny vadin’i Pôtifara tamin’ny lambany izy, ka nataony hoe: –Avia handry amiko! Fa navelan’i Jôsefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 dia nisambotra azy tamin’ny akanjony Ravehivavy ka niteny hoe: Avia handry amiko! Navelan’i Josefa teny an-tanany anefa ny akanjony dia lasa nandositra tany alatrano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia nosamborin’ny vadin’i Pôtifara tamin’ny lambany izy, ka nataony hoe: –Avia handry amiko! Fa navelan’i Jôsefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ka nosamborin-dravehivavy tamin’ny lambany izy, nataony hoe: «Avia handry amiko.» Navelan’i Josefa teo an-tanany anefa ny lambany, ka nandositra tany alatrano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan’i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 dia nisambotra azy tamin’ny akanjony Ravehivavy ka niteny hoe: Avia handry amiko! Navelan’i Josefa teny an-tanany anefa ny akanjony dia lasa nandositra tany alatrano izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Isan’andro isan’andro dia mbola nanangoly an’i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.


Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.


Nony hitan-dravehivavy fa nandositra i Jôsefa ka namela ny lambany teo an-tanany,


Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.


Nefa raha iny nandroso mofo hohaniny iny razazavavy, dia nohazonin’i Amnôna ka nataony hoe: –Avia handry amiko, ranabavy.


Anaka, aza mba miara-dalana amin’ny olona tahaka izany; halaviro ny lalan-kalehany.


Halaviro ny lalanao ny vehivavy toy izany ary aza manakaiky ny tokonam-baravarany,


Afaho ny tenanao, ka tahafo ny gazela sy ny vorona izay afa-miala amin’ny fandrika nihazonana azy.


Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak’Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.


Aoka tsy ho voafitaka ianareo, fa «mamohehatra ny toetra tsara ny namana tsy valahara.»


Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy.


Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.


Ary raha nihodina handeha iny i Samoela, dia nohazonin’i Saoly tamin’ny rebareban’akanjony, izay rovitra niendaka terỳ.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra