Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Indray andro izy niditra tao an-trano hanao ny raharahany; ary tsy nisy tao ny olona tamin’io trano io, na dia iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary tamin’ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Isan’andro isan’andro dia mbola nanangoly an’i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.


Dia nosamborin’ny vadin’i Pôtifara tamin’ny lambany izy, ka nataony hoe: –Avia handry amiko! Fa navelan’i Jôsefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.


Mikendry somambisamby ny mpaka vadin’olona ka manao anakampo hoe: «Tsy misy hahita ahy». Ary dia misaron-tava amin’izay izy.


«Mamy ny rano nangalarina ary matsiro ny mofo hani-miafina».


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza).


Araka ny sahaza ny vahoakan’Andriamanitra, dia aoka tsy ho voatonona eo aminareo akory aza rehefa fijangajangana sy fahalotoana isan-karazany ary fitiavan-karena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra