Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Dia hoy i Joda: –Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baràka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak’osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Dia hoy i Joda: Aoka ho lasany any fandrao ho afa-baraka isika. Indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa tsy hitanao izany ilay vehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia hoy i Joda: –Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baràka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak’osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ka hoy i Jodà: «Aoka hotanany ny antoka; fa tsy tokony hihomehezan’olona foana isika; indro fa efa nampanateriko ny zanak’osy, ary ianao tsy nahita azy kosa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa hianao tsy nahita an-dravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:23
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary niverina tany amin’i Joda ilay sakaizany ka nanao taminy hoe: –Tsy hitako ilay ramatoa; ary ny olona tao an-toerana aza dia nanamafy tamiko fa tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.


Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.


Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin’ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin’ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin’ny sabatry ny Hamônita.


Fa hijinja aretina sy fahafaham-baràka izy ka tsy ho afa-kenatra mandrakizay.


Inona àry no vokatra azonareo tamin’ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.


Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason’Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian’ny fieritreretan’ny olona rehetra izahay.


(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza).


«Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra