Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:23 - Baiboly Katolika

23 Ka hoy i Jodà: «Aoka hotanany ny antoka; fa tsy tokony hihomehezan’olona foana isika; indro fa efa nampanateriko ny zanak’osy, ary ianao tsy nahita azy kosa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Dia hoy i Joda: Aoka ho lasany any fandrao ho afa-baraka isika. Indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa tsy hitanao izany ilay vehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Dia hoy i Joda: –Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baràka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak’osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia hoy i Joda: –Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baràka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak’osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa hianao tsy nahita an-dravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Dia hoy i Joda: Aoka ho lasany any fandrao ho afa-baraka isika. Indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa tsy hitanao izany ilay vehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:23
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina tany amin’i Jodà izy, nilaza hoe: «Tsy nahita azy aho; ary lazain’ny olona tompon-tany aza fa hoe, tsy nisy vehivavy janga teo.»


Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»


Ka nahoana no nanamavo ny tenin’i Iaveh ianao, fa nanao izay ratsy eo imasony? I Oria Heteanina nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amôna!


fery amam-pahafaham-baraka no hany azony, sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.


Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.


sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.


satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;


Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra