Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha, isika; ary indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary indreo, nilahatra manodidina azy kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha, isika; ary indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary indreo, nilahatra manodidina azy kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:7
12 Rohy Ifampitohizana  

Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Hoy izy tamin’ireo: –Aza fady, henoy ange ity nofiko ity e!


I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.


Tsaroan’i Jôsefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy indray izy hoe: –Mpitsikilo ianareo! Hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.


Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.


Ka hoy ny navaliny azy: –Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.


Tonga tao an-tranon’i Jôsefa i Joda sy ireo rahalahiny, fa mbola tratra tao izy. Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.


Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.


Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay.


Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao.


ka ho fanajana ny anaran’i Jesoa dia handohalika avokoa izay rehetra any an-danitra na etỳ an-tany na any ambanin’ny tany,


I Kristy no lohan’ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan’ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, mba ho lohalaharana amin’ny zavatra rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra