Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary izao no tantaran’i Jakoba: Rehefa fito ambin’ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:2
17 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:


Izany no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny naharian’Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,


Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy.


Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.


Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;


Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.


Koa fantatr’i Jôsefa ireto rahalahiny, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy.


Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Ity no lisitry ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.


Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Nisy avy tamin’ny ankohonan’i Klôà manko efa nitatitra tamiko ny aminareo, fa hoe misy adiady eo aminareo.


Voalohany indrindra dia reko fa rehefa miara-miangona ao am-piangonana ianareo, dia mifanao an-kolafiny, – ary mba inoako kely ihany izany.


Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin’ny hafa firenena akory aza: misy anankiray aminareo manambady renikely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra