Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia nialona azy ny rahalahiny fa ny rainy kosa dia nitadidy izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:11
20 Rohy Ifampitohizana  

no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!


Nandeha niandry ny ondry aman’osin-drainy tany akaikin’i Sekema ireo rahalahin’i Jôsefa.


Tsaroan’i Jôsefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy indray izy hoe: –Mpitsikilo ianareo! Hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.


Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.


Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.


Hitsahatra ny fialonan’i Efraîma ary ho foana ny fankahalàn’i Joda: i Efraîma tsy hialona an’i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an’i Efraîma intsony.


TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!


«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»


Fantatr’i Pilato fa fialonana no nanoloran-dry zareo an’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.


Fantatr’i Pilato manko fa fialonana no nanoloran’ireo lohandoha-mpisorona an’i Jesoa,


I Maria kosa nitadidy izany rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.


Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony.


Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy.


Nialona an’i Jôsefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nombàn’Andriamanitra i Jôsefa,


fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin’izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Nahatezitra mafy an’i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: «An’alinalina lahy no nomeny an’i Davida, fa an’arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra