Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Notantarainy tamin’ny rainy toy ny efa nataony tamin’ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: –Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany ka niteny mafy azy ny rainy hoe: Inona izany nofy nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Notantarainy tamin’ny rainy toy ny efa nataony tamin’ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: –Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Samy nilazany izany avokoa ny rainy sy ireo rahalahiny, ka notenenin-drainy mafy izy, nataony hoe: «Ahoana no hevitr’izany nofinao izany? Izaho ve sy ny reninao ary ny rahalahinao tsy maintsy ho avy hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany ka niteny mafy azy ny rainy hoe: Inona izany nofy nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.


Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.


Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.


Ka hoy ny navaliny azy: –Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.


Tonga tao an-tranon’i Jôsefa i Joda sy ireo rahalahiny, fa mbola tratra tao izy. Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra