Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.


Notantarainy tamin’ny rainy toy ny efa nataony tamin’ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: –Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?


Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.


Ka hoy ireo rahalahiny taminy: –Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalàny azy noho ireo nofiny sy ny fitantàrany azy.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao.


Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin’Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany.


I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.


Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.


Ka hoy ny navaliny azy: –Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.


Tonga tao an-tranon’i Jôsefa i Joda sy ireo rahalahiny, fa mbola tratra tao izy. Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.


Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay.


Koa miakara haingana ho any amin’i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon’i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra.


dia nanomana ny kalesiny i Jôsefa ka nandeha hihaona amin’ny rainy tany Gôsena. Raha vao nahita an’i Jakôba izy, dia niantoraka teny am-bozony ary nitomany ela teo sady namihina azy.


Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana.


Nitatra hatreny amin’ny tafiky ny lanitra aza izy; ka nazerany tamin’ny tany ny ampahan’izany tafika izany mbamin’ny kintana sasany izay nohitsakitsahiny.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra