Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 36:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao, razamben’ny Edômita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ireto no taranak’i Esao, razamben’ny Edomita any an-tendrombohitra Seìra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao, razamben’ny Edômita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izao no taranak’i Esao, rain’i Edôma tany an-tendrombohitra Seirà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary izao no taranak’i Esao, rain’ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra: –

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ireto no taranak’i Esao, razamben’ny Edomita any an-tendrombohitra Seìra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 36:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Niteraka zazalahy ilay zokiny, ka ny anarany nataony hoe Môaba. Izy no razamben’ireto Môabita ankehitriny ireto.


Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira.


Ireto no anaran’ny zanakalahin’i Hesao: i Elifaza zanakalahin’i Hadà vadiny, ary i Rehoela zanakalahin’i Basemata vadiny.


sy i Magdiela ary i Hirama. Ireo no filoham-pianakavian’ny Edômita araka ny fonenany teo amin’ny faritaniny avy. I Hesao no razamben’ny Edômita.


Izany no nipetrahan’i Hesao na i Edôma tany an-tendrombohitra Sehira.


Ary tamin’ny taranak’i Simehôna dia nisy lehilahy dimanjato notarihin’i Pelatià sy i Neharià ary i Refaià sy i Hoziela izay samy zanakalahin’i Jisehỳ; nankany an-tendrombohitr’i Sehira ireo,


Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»


mba tsy hila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny na eram-paladia akory aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Hesao ny faritra havoanan’i Sehîra.


ary nomeko ho zanakalahin’i Itsehàka kosa i Jakôba sy i Hesao. Natolotro ho fananan’i Hesao ny faritra havoan’i Sehîra; fa i Jakôba sy ny zanany kosa nidina tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra