Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ny renirano ary nampitainy koa ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:24
23 Rohy Ifampitohizana  

Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.


dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.


Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka.


I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.


Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.


antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin’ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian’ny TOMPO tao afovoan’ny ranomasina ny Ejiptianina.


Amin’ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro ka hihamaizina ny andro, dia miverena, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no manketỳ Ambohimisaraka.


Samy toy ny fierena amin’ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin’ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin’ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin’ny tany ngazana.


Ary izaho irery sisa nijanona ka nahita io fahitana lehibe io; dia tsy nisy hery intsony tato amiko, nivaloarika sy nihasimba ny tarehiko, fa tsy nanan-kery intsony aho.


–Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin’ny varavarana èty: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!


Dia nitebiteby fadiranovana Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa indray. Ary nanjary toy ny ra mitete ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany.


Noho ny amin’i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin’ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin’Andriamanitra ho ahy.


Ilay olona voalohany dia avy amin’ny tany, ka tany; fa ilay olona faharoa dia avy any an-danitra.


Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina.


Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laôdisia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively.


Manao veloma anareo i Epafrà, izay avy atỳ aminareo; io mpanompon’i Kristy Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak’Andriamanitra.


I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.


Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra