Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:25 - DIEM PROTESTANTA

25 I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavànin’ny feny no notendreny ka nivika terỳ ny foto-pen’i Jakôba nandritra ny nitolomany taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:25
14 Rohy Ifampitohizana  

Mandehana faingana miery ao, satria tsy afaka hanao na inona na inona aho ambara-pahatonganao ao. Izany no antony niantsoana io tanàna io hoe Tsôhara.


Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.


Ary rehefa hitany fa tsy naharesy an’i Jakôba izy, dia nodoniny ny foto-pen’i Jakôba ka nipitsoka, raha izy mbola nifampitolona iny.


Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Izao kosa no lazain’ny TOMPO, dia ilay Masin’i Israely sady mpamorona azy: «Izaho ve no anontanianareo ny amin’ireo zanako sy homenareo baiko ny amin’izay tokony hataoko?


Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy!


Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra