Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia natolony hiandraiketan’ireo mpanompony ireny, ka nozarainy ho andiany vitsivitsy; dia hoy izy tamin’ireo mpanompony: «Mandehana any alohako ka asio elanelany hatrany isaky ny andiany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia natolony hiandraiketan’ireo mpanompony ireny, ka nozarainy ho andiany vitsivitsy; dia hoy izy tamin’ireo mpanompony: «Mandehana any alohako ka asio elanelany hatrany isaky ny andiany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia natolony teo an-tànan’ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin’ny isan-toko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:17
3 Rohy Ifampitohizana  

rameva telopolo ampianahany ombivavy efapolo sy ombilahy folo, borikivavy roapolo ary borikilahy folo.


Nanome baiko ny mpanompo voalohany i Jakôba nanao hoe: –Rehefa mifanena aminao i Hesao rahalahiko, ka manontany anao hoe: «An’iza moa ianao? Ho aiza ianao ary an’iza ireo biby fiompy mandeha eo alohanao?»


I Jakôba kosa no nandeha teo alohan’izy rehetra. Niankohoka impito tamin’ny tany i Jakôba mandra-pahatongany teo amin’i Hesao rahalahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra