Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakôba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Leà sady nanao taminy hoe: –Ato amiko no handrianao anio ho takalon’ny mandragôran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakôba iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakôba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Leà sady nanao taminy hoe: –Ato amiko no handrianao anio ho takalon’ny mandragôran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakôba iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman’ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:16
3 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro tamin’ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragôra. Nentiny tany amin’i Leà reniny izany, ka hoy i Rahely tamin’i Leà: –Mba omeo kely amin’ireo mandragôran’ny zanakao aho, azafady!


Fa novalian’i Leà hoe: –Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragôran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: –Aleo àry handry any aminao i Jakôba anio alina ho takalon’ny mandragôran-janakao.


Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Leà, ka bevohòka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakôba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra