Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary ny lavaka fantsakana voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy izay nototofan’ny Filistinina nony maty i Abrahama dia nohadin’i Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia noloaran’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, fa efa novonoin’ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.


Dia namaly i Abrahama hoe: –Mba ekeo avy amin’ny tanako ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nandavaka ilay fantsakana.


Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.


Koa niala teo i Itsehàka, dia nanorin-day tao an-dohasahan’i Gerara ka nipetraka tao.


Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon’i Itsehàka ka nahita loharano velona.


Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.


Fa izay mpirohotra amin’andriamani-kafa dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy; tsy mba hiaraka aminy velively aho hanolotra ny fanati-dra izay ararany, ary tsy hanonona anarana azy akory.


Avy any no hamerenako aminy ny tanimboalobony; ary ho tonga varavaram-panantenana ny lohasahan’i Hakôra. Any no hamaliany Ahy an-kira toy ny tamin’ny androm-pahatanorany, dia tamin’ny andro niakarany niala avy tany Ejipta.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


sy i Nebao ary i Bahala-Mehôna sy i Sibmà; ary dia nomeny anaram-baovao ny tanàna sasantsasany izay naoriny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra