Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Nanana andian’ondry aman’osy sy andian’omby ary mpanompo maro izy, ka nialonan’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nahangona fananana be izy, dia ondry aman’osy sy omby ary mpanompo maro, hany ka nialona azy ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Nanana andian’ondry aman’osy sy andian’omby ary mpanompo maro izy, ka nialonan’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 fa nanana fananana be izy, dia ondry aman-osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nahangona fananana be izy, dia ondry aman’osy sy omby ary mpanompo maro, hany ka nialona azy ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Noho ny aminy dia nasian’ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman’osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin’ny boriky sy rameva.


Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.


Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.


Nomen’i Abrahama an’i Itsehàka avokoa izay rehetra nananany.


Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.


Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.


Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.


Nandritra ny taona sisa niainan’i Jôba, dia heniky ny fitahian’ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14 000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra; hikitro-nify izy sady ho rera-po. Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.


fananana sy harena no ao an-tranony. Maharitra hatrany koa ny asa fiantràny:


Ny fitahian’ny TOMPO no mampanankarena; ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.


Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?


Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.


Nanomboka tamin’io andro io, dia ratsy fijery an’i Davida izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra