Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Io ilay saha izay novidin’i Abrahama tamin’ireo taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 dia ilay saha novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 dia ilay saha izay novinidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta; tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:10
8 Rohy Ifampitohizana  

I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta


Dia nifanaraka tamin’i Hefrôna i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan’ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin’ny mpivarotra.


Koa ny sahan’i Hefrôna izay tao Makpelà akaikin’i Mamre, izany hoe ny saha sy ilay lava-bato tao aminy mbamin’ny hazo rehetra tao anatin’ny faritra manodidina azy, dia natao varo-maty


Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.


Dia nitsangana niala teo amin’ny faty izy ary lasa niteny tamin’ny terak’i Heta hoe:


mba hanomezany ahy ny lava-bato ao Makpelà amin’ny sisin’ny sahany. Aoka ho amin’ny tena vidiny no hanomezany azy ho ahy eto anatrehanareo ho toeram-pandevenana.


Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.


Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra