Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:54 - DIEM PROTESTANTA

54 Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia natory. Ary nifoha maraina izy ka niteny hoe: Avelao aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

54 Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia natory. Ary nifoha maraina izy ka niteny hoe: Avelao aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:54
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.


Koa navelan’ireo handeha i Rebekà sy ny mpitaiza azy hiaraka amin’ilay mpanompon’i Abrahama sy ny olony.


Rehefa avy niteraka an’i Jôsefa i Rahely, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.


Namepetra ireo rahalahiny i Jôsefa mba tsy hifanditra eny an-dalàna ary nalefany handeha ireo.


Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.


Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.


Aza manontany hoe: Nahoana no tsara ny taloha noho ny ankehitriny? Fa tsy fahendrena ny anontanianao izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra