Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:53 - DIEM PROTESTANTA

53 Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

53 Ary namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana ilay mpanompo ka nomeny an’i Rebeka; nomeny fanomezana sarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

53 Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

53 Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

53 Ary namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana ilay mpanompo ka nomeny an’i Rebeka; nomeny fanomezana sarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:53
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,


Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa.


Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny tempoly.


Koa ambarao amin’ny Israelita fa ny tsirairay na lahy na vavy dia aoka samy hangataka firavaka sy volamena amin’ny Ejiptianina akaiky azy avy.


Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy ny Israelita ka nangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina.


Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.


Mahatsara ny takolakao ireo kavina eo an-daniny avy; ary manendrika ny tenanao ny rado iambozonanao.


Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,


Ary faly i Hezekià tamin’ny fahatongavan’ireto iraka; dia nasehony azy ny trano fitahirizana zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian’ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin’ny zavatra hafa isan-karazany tao amin’ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra