Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan’antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’orona volamena iray, lanjan’ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ny sekely folo, hatao amin’ny tànany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Rehefa tapitra nisotro avokoa ny rameva dia nalain-dRalehilahy ny kavin’orona volamena iray, milanja antsasaky ny sekela, sy haba fehin-tanana volamena roa, milanja sekela folo

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:22
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


sady nanontany azy hoe: –Mba lazao ahy hoe: Zanak’iza moa ianao? Ary misy toerana azonay andriana ve ao an-tranon-drainao?


Tazany manko ny kavin’orona sy ireo haba teny an-tanan’ny anabaviny ary henony koa ny nitantarany izay voalazan’ilay rangahy. Dia tonga teo amin’ilay rangahy i Labàna; ary mbola mijoro eo anilan’ny fantsakana miaraka amin’ny ramevany izy


Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba.


Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.


Rehefa tapitra ny andro fahatelo nifadian-kanina, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjakavavy azy i Estera ka niseho teo amin’ny kianja anatin’ny lapa, teo anoloan’ny efitranon’ny amperôra. Tamin’izay ny amperôra dia tao an-dapa sady nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, tandrifin’ny varavarana fidirana.


Misy ny tany fitrandrahana volafotsy ary ny toerana fanadiovana volamena.


Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.


Dia novidiko tamin’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko ny sahany tao Hanatôta ary naloako ny vidiny, dia sekela volafotsy fito ambin’ny folo.


Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany fotsiny, toy ny taovolo sy ny firava-bolamena ary ny didy akanjo;


Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra