Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Koa mianiàna amiko eto, amin’ny anaran’Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko ianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ity tany onenanao ity koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako hianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ny tany izay ivahinianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:23
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny.


Dia hoy i Abrahama hoe: –Ianianako izany!


ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Dia novalian’ireo hoe: –Tsapanay tokoa fa momba anao ny TOMPO; koa nihevitra izahay fa tokony hanao fifanekena ombàm-pianianana isika.


Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon’izany eo amintsika.


Aoka Andriamanitr’i Abrahama sady Andriamanitr’i Nahôra no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an’i Itsehàka rainy no nianianan’i Jakôba.


ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.


Ary hoy i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko mihitsy àry ianao. Dia nianiana taminy i Jôsefa. Ary teo an-doham-pandriany teo i Jakôba no niondrika mba ho fisaorana azy.


Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.


Antsoiko ho vavolombeloko Andriamanitra, satria fantany ny ato am-poko: fitsimbinako anareo no nahatapa-kevitra ahy tsy hiverina any Kôrinto.


Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo.


Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana.


Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho


dia enga anie hosazîn’ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin’ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO!


Ary nampianiana an’i Davida koa i Jônatàna amin’ny anaran’ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny itiavany ny tenany i Jônatàna.


Ary hoy i Jônatàna tamin’i Davida: –Mandehana ombàm-piadanana, fa efa samy nianiana tamin’ny anaran’ny TOMPO isika hoe: «Ny TOMPO anie hanelanelana ahy sy ianao ary ny taranako sy ny taranakao mandrakizay!»


Ary hoy i Davida taminy: –Azonao entina any amin’izany andian-tontakely izany ve aho? Dia hoy ny navaliny azy: –Raha mianiana amiko eto anatrehan’Andriamanitra ianao fa tsy hahafaty ahy, na hanolotra ahy amin’ny tompoko, dia hitondra anao eo amin’izany andian-tontakely izany aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra