Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 18:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Fa niteny indray i Abrahama hoe: –Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo ô, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Hoy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo fa mbola hiteny aho: Angamba olona marina telopolo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba hahavita izany Aho raha mahita olona marina telopolo ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Fa niteny indray i Abrahama hoe: –Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo ô, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:30
12 Rohy Ifampitohizana  

Mbola niteny taminy indray i Abrahama hoe: –Angamba tsy hahitana afa-tsy efapolo ao! Dia novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina efapolo.


Dia hoy ihany i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina roapolo.


Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.


Tsinontsinona aho ka tsy manan-kavaly Anao. Hitampim-bava no ataoko izao.


TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.


TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao any an-danitra; ary tsy misy mitovy aminao ireo andriamanitra.


Ankalazao amin’ny zava-maneno ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna, ary ambarao amin’ireo firenena ny zava-mahatalanjona nataony;


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra