Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 18:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Mbola niteny taminy indray i Abrahama hoe: –Angamba tsy hahitana afa-tsy efapolo ao! Dia novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina efapolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Dia mbola niteny Taminy indray izy hoe: Angamba olona marina efapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hahavita izany Aho noho ny olona marina efapolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Mbola niteny taminy indray i Abrahama hoe: –Angamba tsy hahitana afa-tsy efapolo ao! Dia novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina efapolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama, ka nanao hoe: «Angamba hoe efapolo ny olo-marina ao.» Ary hoy izy: «Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako an’izy efapolo ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Dia mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:29
4 Rohy Ifampitohizana  

Angamba tsy ampy dimampolo ny olo-marina fa latsaka dimy, dia horavanao ve ny tanàna manontolo noho ny amin’ny dimy? Ka namaly ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao!


Fa niteny indray i Abrahama hoe: –Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo ô, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.


Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra