Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Napetrak’Andriamanitra teny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Napetrak’Andriamanitra teny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary Andriamanitra nametraka azy eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin’ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 1:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Apetrako eny amin’ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin’ny tany.


Indray maka teo amin’ny androm-piainanao mba efa nibaiko ny hisian’ny maraina ve ianao? Efa notondroinao toerana ve ny mazava atsinanana


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Davida.


Kanefa ny feon’ny ankizy madinika, eny, ny feon’ireo zaza mbola minono aza no anoheranao ny mpandrafy Anao; ary izany dia toy ny manda natsanganao hampanginanao ireo fahavalonao sy izay te hamaly ratsy.


«Izao no lazain’ny TOMPO: Raha mahafoana ny fifanekena nataoko tamin’ny andro sy ny alina ianareo ka mahasakana ny andro sy ny alina tsy hiseho araka ny fotoanany,


Kanefa izao no lazaiko: Nanao fifanekena tamin’ny andro sy ny alina Aho, ary nametraka lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany.


Fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao, mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra