Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 1:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Na aiza na aiza onenan’ireo sisa tavela amin’izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ilay tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary izay rehetra mijanona, na aiza na aiza toerana misy azy, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy, volamena, fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra izay any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Na aiza na aiza onenan’ireo sisa tavela amin’izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ilay tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io, amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanati-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, izay any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary izay rehetra mijanona, na aiza na aiza toerana misy azy, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy, volamena, fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra izay any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 1:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon’ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.


Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:


Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.


Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.


Koa aoka ianareo rehetra anisan’ny vahoakan’ny Tompo mba hiakatra any Jerosalema, ao amin’ny tanin’i Joda, ka hanorina indray ny tranon’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra Izay ivavahana ao Jerosalema. Homba anareo anie ilay Andriamanitrareo!


Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.


Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Hisy sisa hiverina, eny, hisy sisa amin’ny taranak’i Jakôba hiverina amin’Andriamanitra mahfkery.


Taona maro no tsy naha tao Jerosalema ahy vao tafaverina indray aho nitondra vola ho fanampiana ny fireneko ary hanolotra fanatitra amin’Andriamanitra.


Mifampitondrà izay mahavesatra, fa izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra