Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 1:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia niainga ny lohan’ny fianakavian’i Joda sy Benjamina mbamin’ny mpisorona sy ny levita, dia izay rehetra efa notairin’Andriamanitra ny fanahiny, mba hiakatra hanao ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina, ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra namporisihan’Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon’i Iaveh any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia niainga ny lohan’ny firenen’i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’i Jehovah any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 1:5
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa, amperôran’i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakàny manontolo ireto hafatra ireto:


Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda.


Na aiza na aiza onenan’ireo sisa tavela amin’izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ilay tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»


nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’Andriamanitra ny foko mba hatao ho an’i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn’olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany.


Fikasana no an’ny olombelona fa an’ny TOMPO kosa ny teny farany.


Dia notairin’ny TOMPO ny risi-pon’i Zerobabela governoran’i Joda sy ny an’i Josoa mpisorombe ary ny an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon’ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamaniny,


Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an’i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa!


satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.


Aza maka tahaka ny ratsy, rahavako, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; izay manao ny ratsy kosa tsy mba nahita an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra