Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 9:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Nasain’ny amperôra natao izany ary navoaka tao Sosany ny didy; ka dia nahantona izy folo lahy zanak’i Hamàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nasain’ny mpanjaka natao izany. Novakina tany Sosana ny didy ka nahantona izy folo lahy zanak’i Hamana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Nasain’ny amperôra natao izany ary navoaka tao Sosany ny didy; ka dia nahantona izy folo lahy zanak’i Hamàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nasain’ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak’i Hamana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nasain’ny mpanjaka natao izany. Novakina tany Sosana ny didy ka nahantona izy folo lahy zanak’i Hamana.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 9:14
9 Rohy Ifampitohizana  

«Manao didy aho fa na iza na iza Israelita eto amin’ny fanjakako, na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, no te hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.


Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.


Fa i Harbonà, anisan’ireo tandapa, dia nilaza tamin’ny amperôra hoe: –Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony. Dia hoy ny amperôra hoe: –Ahantony amin’io i Hamàna!


Dia hoy i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry Andriamanjaka, dia aoka ny Jiosy eto Sosany homen-dalana hanao toy ny nataony androany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ny hazo ireo fatin’izy folo lahy zanak’i Hamàna!


Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.


Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan’ny olo-marina kosa maharitra hatrany.


Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra