Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 9:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana Adara ka namono olona telonjato lahy tany Sosana. Kanefa ny fananany dia tsy mba norobainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana Adara* ka namono olona telonjato lahy tany Sosana. Kanefa ny fananany dia tsy mba norobainy.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 9:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanàna misy azy dia nomen’ny amperôra lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian’olona mamely azy any amin’ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak’ireo sy ny mandroba ny fananany.


Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany.


Dia hoy i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry Andriamanjaka, dia aoka ny Jiosy eto Sosany homen-dalana hanao toy ny nataony androany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ny hazo ireo fatin’izy folo lahy zanak’i Hamàna!


Nasain’ny amperôra natao izany ary navoaka tao Sosany ny didy; ka dia nahantona izy folo lahy zanak’i Hamàna.


Ny Jiosy hafa, nonina tany amin’ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan’ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana Adara; afaka tamin’ny fahavalony izy ary 75 000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.


Tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa, dia nivory tao an-tanànany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.


halaviro daholo ny zava-dratsy isan-karazany.


Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra