Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Nampiantso an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: «Nanota aho tamin’ity indray maka ity; i Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia naniraka Farao nampaka an’i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:27
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Dia niaiky hadisoana ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny Israelita tatsimo ka nanao hoe: –Rariny ny an’ny TOMPO!


Mandala ny rariny kosa ny TOMPO, ka namaha ny fatorana nataon’ireo tamiko.»


Marina amin’ny lalany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.


Ny lavaka izay nohadîny ihany no nianjeran’ireo hafa firenena; ny fandrika harato nafeniny ihany no nahavoasingotra ny tongony.


Niantso an’i Mosesy sy i Aharôna haingana ny Farao ka nanao taminy hoe: –Diso tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo sy taminareo aho.


Mba mamelà ny heloko amin’ity indray mandeha ity, ary mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao.


Dia hoy i Mosesy hoe: –Raha vao miala eto aminao aho, dia hangataka amin’ny TOMPO. Rahampitso ihany dia hoesoriny tsy ho eo aminao sy ny tandapanao ary ny vahoakanao ny fihitra. Fa izao kosa, aoka ianao tsy hamitaka anay intsony ka tsy handefa ny Israelita hanao sorona aminy indray.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;


Rariny ny nataon’ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.


Koa izany, Tompo ô, no nitahirizanao ny loza ka nampiharanao izany taminay; fa marina Ianao Tompo Andriamanitray amin’ny asa rehetra nataonao, saingy izahay no tsy nihaino ny feonao.


Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.


Dia hoy i Balahama tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Nanota aho satria tsy nahafantatra fa ianao no nisakan-dalana ahy. Koa ankehitriny raha tsy tianao ny hankanesako any, dia hiverina hody aho.


sady nilaza hoe: –Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: –Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


Dia novalian’i Hakàna hoe: –Marina tokoa fa izaho no nanota tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ary ireto avy no nataoko:


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.


Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.


Hoy kosa i Saoly hoe: –Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra