Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 8:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Nataon’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ary NY TOMPO nanatanteraka izany araka ny tenin’i Mosesy, dia nampiala ny fihitra rehetra tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Nataon’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 ary notanterahin’i Iaveh ny tenin’i Môizy ka dia niala tamin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lali-be ka tsy nisy tavela, na dia iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Ary NY TOMPO nanatanteraka izany araka ny tenin’i Mosesy, dia nampiala ny fihitra rehetra tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 8:27
8 Rohy Ifampitohizana  

Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»


«Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amôrita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»


Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe: –Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.


Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra