Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:7 - DIEM PROTESTANTA

7 ary natsofoka tao anatin’ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin’ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 ary natsofoka tao anatin’ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin’ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Natsofony tamin’ny masom-bola eo an-daniny roan’ny ôtely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin’ny hazo fisaka ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nampiditra ny bao teo amin’ny vava vola teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:7
5 Rohy Ifampitohizana  

Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ireo bao roa ireo, dia norakofana takelaka halimo,


Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany.


Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.


Kanefa ho an’izay voaantson’Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra;


Teo aminareo aho dia ninia tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin’ny hazofijaliana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra